Actualités

Sendikan’ny mpanao gazety Nanao hetsika am-pilaminana


  • Alarobia 16 Mey 2012

Nifamotoana teo anoloan’ny tsangambaton’ny holafitry ny mpanao gazety malagasy sady mariky ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eo anoloan’ny Gara Soarano omaly talata 15 mey misandratr’andro ny mpanao gazety maro sy ireo tompona haino aman-jery nakaton’ny fanjakana, nanoina ny antso nataon’ny sendikan’ny mpanao gazety.

 Nifanandrify indrindra tamin’ny faharoa taona nidiran’ny andiana mpitandro filaminana, mirongo basy, ankeriny tao amin’ny foiben-toeran’ny radio Fréquence Plus eny amin’ny 67ha ka namotehan’izy ireo ny fitaovana tao sy nandratrana mpanao gazety ihany koa io hetsika omaly io, nampahatsiahivan’ny sendika tamin’ny alalan’ny filohany, Rasoanaivo Rocco ny mpitondra fa roa taona aty aoriana tsy misy fanadihadiana nisokatra momba io raharaha io na teo aza ny antso fanairana nisesy natao. Nanamafy ny fitakiana hanokana ireo haino aman-jery nakatona sy ny hanafoanana ny didim-panjakana mampiatona ny fahazoan-dalana manao fanitarana ny haino amanjery ho any amin’ny faritany ihany koa ny sendika, ary ny hanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny maneho hevitra. Niantso hatrany ny firaisankinan’ny mpanao gazety koa ny sendika ka hijoro sy ho saro-piaro manoloana ny endrika fanohintohinana ny fahalalana izay. Tao anatin’ny filaminana no nanatosana ny hetsika.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT