Niala tamin’ny fahanginany ny sendikan’ny mpanao gazety eto Madagasikara (SJM) tarihan’i Rocco Rasoanaivo, izay tsy afaka ny hitazana fotsiny ny fihetsiky ny minisitry ny serasera manoloana ny mpanao gazety.
Ilay vavabe nataon’ingahy minisitra mikasika ny tsapakevitra na “sondage” nataon’ny TV Plus Madagascar farany teo no tena nandrehitra ny afo. Toherin’ny SJM tanteraka ary, araka ny fanambarana nivoaka omaly ny fikasana hamerina ny sivana sy ny fanapenam-bava eto Madagasikara sy ny vava tsy ambina ataon’ny minisitra Rahajason Harry Laurent. Diso fanantenana tanteraka amin’ny fihetsik’ity minisitra ity ny SJM, satria anisan’ireo mpanao gazety mahalala tsara ny zava-misy amin’io tontolo io ingahy minisitra ary anisan’ireo tena nanohitra mafy ny fanakatonana haino amanjery nataon’ny fitondrana teo aloha, kanefa dia toa nivadika rehefa nahazo fahefana. Voatohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara ankehitriny, araka ny fanambaran’ny SJM koa dia miantso ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra ity sendika ity mba hikaroka vahaolana sy hanapa-kevitra haingana.
Mampitandrina ny sendikan’ny mpanao gazety ny amin’ny eritreri-dratsy any ambadibadika any mba hisompatra ny TV Plus ary manambara fa manohana hatramin’ny farany ny mpanao gazetin’ity haino aman-jery ity sy ny mpanao gazety rehetra iharan’ny tsy rariny mandritra izao tetezamita izao. Mitaky ny hanokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT koa ny sendikan’ny mpanao gazety, toy ny Free FM, ny MBS, Radio Mada, Radio Fahazavana sy ireo haino aman-jery 80 hafa manerana ny Nosy. Takian’ny SJM koa ny fanajana ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahana mampita sy mizara vaovao amin’ny orinasan-tserasera miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Nisarika ny sain’ny mpanao gazety koa anefa ny SJM mba hahay haka lesona avy amin’izao tranga izao, satria ny mpanao gazety dia tokony hahafantatra tsara ny asany ny zavatra ataony sy ny lalana ary fitsipi-pitondran-tena tsy maintsy hajaina ao anatin’izany. Midika izao rehetra izao fa mihenjan-droa ny tady eo amin’ny minisitra sy ny mpanao gazety, izay niara-niasa taminy taloha ny ankamaroany kanefa dia tahaka ny raisiny ho fahavalo ankehitriny. Manova olona marina ny fahefana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.