Actualités

Sendika SVS Hiroso amin’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy mpiasa


  • Alatsinainy 21 Desambra 2020

Vonona ny hiaro ny zon’ny mpiasa hatrany ny SVS ( Syndicat de vie et de société)

 

 

 

 raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny Barison Rakotomanga na dia efa maro aza ireo asa vitany. Na dia tsy nomen’ny Cnaps vola maimaim-poana aza mantsy ireo mpiasa very asa nandritra ny fihibohana dia afaka nampisamboriny ihany hoy izy noho ny tolona notanterahin’izy ireo. Nanatanteraka kongresy nasionaly izy ireo ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny ANS Ampefiloha, hetsika izay tsy mbola nisy mihitsy tao anatin’ny 16 taona. Nandritra ny 3 andro no nanatanterahan’izy ireo izany no nilazany fa vonona hatrany ny SVS hiaro ny zon’ny mpiasa. Lohalarahana amin’ireny ny fiarovana ny zon’ny vehivavy iharan’ny herisetra eny anivon’ny toeram-piasana. Lasa vehivavy mantsy no filoha nasionalin’ny SVS manomboka izao hiasa mandritra ny 5 taona tsy an-kiato raha 4 taona teo aloha. Narahina fanavaozana ny sata mifehy sy ny fanatsarana ny fitsipi-pifehezana anatin’ny sendika izany. Anisan’ny asa goavana hiandry ny sendika SVS ihany koa moa amin’io taona ho avy 2021 io ihany koa ny fijerena ny fahasalaman’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa ho tombontsoan’izy ireny.

Pati

Legende : Nandritra ny kongresy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT