Actualités

Sendika SEMPAMA Efa nilaozan’ny toetrandro ny rafi-pianarana


  • Alatsinainy 02 Mey 2011

Niova tsy tahaka ny isan-taona ny fankalazan’ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpanabe eto Madagasikara na ny SEMPAMA ny andron’ny 01 mey, fetin’ny asa tamin’ity 2011 ity.

Noho ny toe-draharaham-pirenena dia tsy nisy ny filaharana an-dalambe fa fivoriana mitety faritra ho fanomanana ny filankevi-pirenena handinihana ny hoavin’ny fanabeazana eto Madagasikara no notontosaina. Fianarantsoa sy Manakara no hanohizana ny fitetezam-paritra taorian’ny tany Mahajanga ka zava-dehibe ny handinihana ny anjara toeran’ny mpampianatra sy ny mpanabe eto Madagasikara. Fanamby ny hametraka tondrozotra mazava hamolavolana politikam-pirenena momba ny fanabeazana sady hamerenana ny anjara toeran’ny fampianarana sy fanabeazana, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny SEMPAMA, Raharovoatra Claude. Ny fehin-kevitra rehetra tapaka mandritra ireo fivoriana ireo dia hatolotra ny Filankevi-pirenena momba ny fanabeazana na ny CNE.

Anisan’ny manana eritreritra hitondra hevitra fanovana ny rafi-pianarana ankapobeny eto amintsika izay efa nilaozan’ny toetrandro koa ny Sendikan’ny Mpampianatra sy ny mpanabe eto Madagasikara.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT