Hafa kely ny zavatra hitranga ao Vakinankaratra mandritra ny fanaovana ny fanadinam-panjakana voalohany ny talata 07 aogositra ho avy io.
Raha ny fanazavana nomen’ny mpandrindram-paritry ny SEMPAMA Vakinankaratra, Atoa Andriamandroso Oliniaina mantsy dia hanao fitsangantsangana goavana any amin’ny Fokontany Maromandray, Distrikan’i Mandoto ireo mpikambana ao amin’ity Sendikan’ny mpampianatra mpanabe ity amin’io androm-panadinana io. Amin’izy ireo dia manaraka hatrany ny toromariky ny foibe nasionalin’ny SEMPAMA izy ireo izay nilaza fa tsy handray anjara amin’ny fanadinam-panjakana rehetra ho avy io ka hoporofoin’izy ireo izany amin’ity fitsangatsanganana ity. Manoloana izay moa dia nitondra fanazavana ihany koa ity mpitarika ity fa velon-taraina tanteraka ireo mpampianatra izay mpikambana ao amin’izy ireo amin’iny Distrikan’i Mandoto iny noho ny antsojay ataon’ny fari-piadidiam-pampianarana satria dia mandeha ny fampanaovana taratasy (engagement) azy ireo ka terena tsy maintsy handray anjara amin’ny fikarakarana ny fanadinam-panjakana izy ireo ka hiantoka izany mialoha, mandritra ary aorian’ny fanadinana.
Velon’ahiahy ireo mpampianatra. Efa fantatra mantsy fa ny sekoly tsy miankina no hiantoka ny fanatanterahana ny fanadinana ka sao hailika any amin’ireo mpampianatra avy amin’ny fanjakana izay voatery tsy maintsy handray anjara amin’ny fanadinana ny rihitra. Fantatra ihany koa fa tsy hiantohan’ny SEMPAMA Vakinankaratra ity fanadinana ity ny fahatapahan’ny fianarana nandritra ny dimy volana kanefa dia iray volana ny fihemoran’ny fanadinana nefa ny fandaharam-pianarana tsy vita hatramin’ny farany akory ka ny fanjakana no tompon’antoka amin’izay lanjan’ny voka-panadinana eo, ary ho henatra ho an’ny mpianatra ny mari-pahaizany. Nambaran’ity mpitarika ity moa fa dia mitohy hatrany ny tolona hamerenana ny hasin’ny fampianarana ho an’ny ao Vakinankaratra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.