Inona no hitranga rahampitso 7 aogositra, andro notondroin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena hanatanterahana ny fanadinam-panjakana voalohany eny amin’ny ambaratonga fototra dia ny CEPE ?
Ny talata 10 jolay 2012 no tokony ho nanatanterahana azy io, saingy noho ny fitakiana sendikaly nataon’ny mpampianatra mpanabe mivondrona ao amin’ny SEMPAMA izay nampiato nandritra ny dimy volana teo ny fampianarana tamin’ny sekolim-panjakana, saika manerana ny Nosy, dia nanapa-kevitra ny nampihemotra azy ho talata 7 aogositra ny fanjakana. Vonona ny zava-drehetra, hoy ny avy eo anivon’ny ministera. Efa tonga eny amin’ny Kaominina ny laza adina, vonona ny mpiambina sy ny mpitsara. Na izany aza dia miaiky ireo tompon’andraikitra fa misy mpiadina tsy mbola nahazo taratasy fiantsoana, saingy dia nasaina tonga ihany ireo kandida ireo rahampitso fa karatra fanondroana maha mpianatra dia ampy hiatrehany fanadinana. Etsy ankilany anefa dia hentitra ny SEMPAMA.
Tsy mandray anjara izahay, hoy Raharovoatra Claude, filohany izay any Ambovombe Androy amin’izao fotoana izao, mitety faritra manao fanentanana sady mifampizara vaovao amin’ireo SEMPAMA any amin’ny Faritra, sady manomana ny fanatanterahana “assise nationale” araka ny fanazavany. Tsy hitsikombakomba amin’ny fanadinana petatoko sy atao amboletra izahay, hoy hatrany Raharovoatra Claude. Nianatra hatrany ny sekoly tsy miankina, ny sekolim-panjakana tsy nianatra efa ho dimy volana nefa dia iray volana no nanaovana fanemorana datim-panadinana amin’izay tsy nifampierana akory, ny diplaoma anefa iray ihany koa tsy manaiky izany izahay, hoy hatrany ity farany.
Ny SECES rahateo efa nilaza fa tsy hanaiky diplaoma bôjo izany, hoy izy. “Na aty ampanaovana fitsidiham-paritra aza izahay dia mahita fa mpampianatra amin’ny tsy miankina no nantsoina hanatanteraka ny fanadinana CEPE. Ao Tolagnaro dia misy mpampianatra ankizy “maternelle”, nantsoina handray anjara amin’ny fitsarana CEPE. Sambany izy no hanao izany, ary dia milaza fa hanao satria mandray vola. Aminay izany dia kitoatoa ka tsy ho mpiray tsikombakomba amin’izany ny SEMPAMA”, hoy Raharovoatra Claude. Amin’io talata 07 aogositra io dia samy hivory ny mpikambana isam-paritra hanomana ny «assise nationale», ho tohin’ny filankevi-pirenena natao ny 05 oktobra 2011.
Manoloana ny fandrahonana sy ny fiforonan’ireo fikambanana sy sendika hamotehana ny SAMPAMA dia nilaza Raharovoatra Claude fa tsy hampihemotra ny tolona ataon’izy ireo izany, hamerenana ny hasin’ny fanabeazana. Mikasika ny fanapahana karama mianjady amina mpampianatra an-jatony indray dia nilaza ny filohan’ny SEMPAMA fa “tsy ara-dalàna ireo fanapahana karama misy amin’izao”. Nambarany fa raha nihaona tamin’ny minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Tabera Randriamanantsoa, tao Manakara izy ireo ny talata 31 jolay dia hentitra ny tenin’ity minisitra ity, fa “raha mbola izaho no minisitry ny asam-panjakana dia tsy hisy karama tapaka amin’ny resaka réquisition izany”.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.