Actualités

SEMPAMA Toliara Mikatona avokoa ny sekolim-panjakana


  • Talata 29 Mey 2012

Misy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy SEMPAMA ao Toliara.

 Raha nanao fanambarana nanoloana ireo solontenam-panjakana ary nitafa tamin’ny mpanao gazety ny ampahany tamin’izy ireo, notarihan-dRamose Luc, filoha mpiara-mitantana, ny alarobia hariva teo dia nilaza fa hiverina hampianatra ny alakamisy 24 mey ary hanao “service minimum” mandritra ny efatra andro ao anatin’ny herinandro ry zareo. Ny zoma 25 mey anefa dia nivory ireo fikambanana mpampianatra mpanabe mandrafitra ny ny SEMPAMA Toliara sy Atsimo Andrefana ary namoaka fanambarana niombonana izay novakian-dRtoa Ginah Razanakolona, mpitarika vonjimaika ny birao, fa “tsy hampianatra mihitsy izy ireo raha tsy mivaly avokoa ny fitakiana rehetra ary tsy handray baiko na avy na avy amin’iza afa-tsy ny SEMPAMA nasionaly (foibe) manomboka izao“.

Nambarany fa misy mamadika ny tolona noho ny fitiavam-bola kely. Tsy ilainay intsony ny mpamono afo sy mpitaty ran-kena ary mpanao ronono an-tavy”. Milaza ny hanaisotra amin’ny toerany ny DREN Atsimo Andrefana sy ny lehiben’ny Cisco Toliara I sy Ankazoabo Atsimo izay ampangainy ho mpandoto sy mpanimba ny asa fampianarana koa ireto mpitarika vonjimaika ny biraon’ny SEMPAMA Toliara sy Atsimo Andrefana ireto. Marihina fa mbola mikatona ny ankamaroan’ny varavaran-tsekoly miankina amin’ny fanjakana ao an-tanànan’i Toliara izao.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT