Tsy nampiova hevitra ny Sempama Toliara ny fivoahan’ny didim-panjakana laharana 2012-548 mamaritra sy mampiakatra ny tambin-karaman’ireo mpampianatra mpanabe manomboka tamin’ity volana mey ity.
Tsy mbola manaiky hiverina hampianatra mantsy izy ireo. Nambaran’ny mpitarika ny hetsika ao Toliara fa “mitohy ny fitakiana na eo aza ny famonoana afo teo amin’ny nanomezana ny vola 50.000Ar ka hatramin’ny 64.000Ar arakaraka ny toerana hiasana». Antony mbola mampirizirizy ireo mpanabe ireo koa ny tsy fisian’ny vahaolana natolotry ny mpitondra momba ireo mpampianatra FRAM sy ny “contractuels” izay takiany ny handraisana azy ho mpiasam-panjakana raikitra. Marihina fa efa maro ireo tompon’andraiklitra ao Atsimo Andrefana niezaka nifampiraharaha tamin’ny Sempama ao Toliara hiverenany an-tsekoly saingy tsy nisy naharesy dohika azy ireo.
Nifandimby nandresy lahatra azy ireo ny minisitry ny asa tanana, Elisa Razafitombo, izay iraky ny fanjakana foibe, ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita, Tinoka Roberto, izay nandroso soso-kevitra ny hampianarany mandritra ny efatra andro fa ny iray andro hitokonana saingy nandamoka avokoa izany. Efa nisy koa ny fifandresen-dahatra tamin’ireo mpitarika, talen-tsekoly ary ny OMC na tompon’andraikitry ny filaminana fa tsy nahitam-bokany. Marihina fa efa ho efa-bolana izao no tsy nianatra ny sekolim-panjakana sasany ao Toliara. Misy ihany anefa ireo efa nandray ny asany ara-dalàna toa ny lycée technique”, Ceg sy Epp sasany. Mety hesorina eo anoloan’ny biraon’ny DREN moa ny Sempama noho ny fitokonany eo amin’ilay toerana voalaza fa manelingelina ny fifamoivoizana.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.