Actualités

SEMPAMA Tolagnaro Hitokona tsy hampianatra


  • Talata 08 Mey 2012

Fanapahan-kevitra tsy am-pisainana no nataon’ny minisitra mpiahy sady manoro vilana no mamahan-dalitra anay.

 Io no nandraisan’ireo mpikambana ao amin’ny SEMPAMA ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Manoro Régisy ny zoma 04 mey teo. “Tsy fotoan’ny famonoan’afo izao. Raha te hidongy seza ny minisitra tsy toy ireny ny famahana ny olana. Tsy hampianatra ary hitokona hatrany izahay mandra-pivalian’ny fangatahana ataon’ny fianakaviamben’ny fanabeazam-pirenena. Manentana ireo mpampianatara mba hiray hina ary hanamafy hatrany ny tolona”, hoy izy ireo. Tamin’ny herinandro teo iny dia nanan-kevitra ny hidina an-dalambe ireo mpampianatra mpanabe any an-drenivohitra Anôsy kanefa najanona. Na izany aza, hatramin’izao dia mbola mikatona ireo sekolim-pajakana rehetra any Faradofay. Miakatra ny renivohitra ireo mpampianatra mamaly ny antson’ireo mpitarika.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT