Actualités

SEMPAMA Nanao valin-kafatra ho an’i Manoro Régis


  • Talata 03 Jolay 2012

Na ireo solontenan’ny SEMPAMA avy any amin’ny Faritra toa an’i Boeny, na ny SEMPAMA foibe tarihan-dRaharovoatra Claude dia samy nanao valin-kafatra ho an’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Manoro Régis noho ny fanapahan-keviny “samirery” nanemotra ny datim-panadinana ara-panjakana eto Madagasikara.

 Raha ny fahafantaranay, hoy Raharovoatra Claude, dia ny “conseil scientifique” no mandinika izany fanemorana datim-panadinana izany ka raha olo-mendrika dia miresaha amin’ny SEMPAMA. Efa tsy nahomby ny fanapahan-kevitra samirery ataon’ny mpitondra tetezamita, hoy indray ny solontenan’i Boeny. Fitakiana sendikaly ny anay ka tsy mila faneriterena izany, hoy izy, ary mahafantatra ny mety ho zaka sy ny tsy zakan’ny firenena ny mpanabe. Raharovoatra Claude moa nampahatsiahy fa maro an’isa ny mpampianatra ao anatin’ny mpiasam-panjakana, ka rariny raha mandray anjara mivantana amin’ny tolona. Ny mpampianatra, hoy izy, no mbola mandray tambin-kasasarana farany izay ambany indrindra (90 Ariary).

Mila haverina ny hasin’ny mpampianatra mpanabe, hoy izy, ka mpampianatra mpanabe mandray an-tanana ny hoavy no tarigetra efa nimasoana nandritra izay efa-bolana nitolomana izay. Rafi-panabeazana tsy mifanaraka amin’ny filan’ny fiarahamonina no misy ankehitriny ary tao anatin’ny 50 taona dia tsy nitsahatra nikororosy ny fanabeazana Malagasy ary zary hitsoahan’ny fiarahamonina izahay mpampianatra amin’izao fotoana izao. Koa tsy miova ny hevitry ny SEMPAMA fa mbola mitaky ny fialan’ny minisitra Manoro Régis !

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT