Actualités

SEMPAMA Mampitandrina, hihamafy ny tolona


  • Alakamisy 07 Martsa 2013

Herintaona tamin’iny volana febroary iny ny tolona nataon’ireo mpampianatra mivondrona amin’ny sendika SEMPAMA.

 Hatreto anefa dia tsy mbola misy mangirana ny tolona ataon’izy ireo fa toa vao mainka aza miha sarotra ny toe-draharaha. Mbola misy mpampianatra tapaka karama, voaroaka na koa tratry ny tsindrihazolena sy antsojay ka tratry ny famindran-toerana tsy araka ny tokony ho izy. Izao indray, araka ny fanazavan-dRaharovoatra Claude, filoha nasionalin’ity sendika ity dia averina ao amin’ity departemantan’ny fanabeazam-pirenena ny politika. Raha ny fantatra, araka ny tenin’ny SEMPAMA dia mikasa hirotsaka hofidiana ho depiote ny minisitra Manoro Régis ka dia ampiaisainy ho amin’izany ny fahefam-panjakana ananany ary dia tonga hatramin’ny fampihorohoroana sy fanaovana antsojay sy ramatahora izany. «Ampiasain’ny minisitra Manoro Régis ny rafitra sy ny olona ato amin’ny ministera ho amin’ny politika. Terena hiditra UNDD daholo ny mpampianatra», hoy Raharovoatra Claude. Nanitrikitrika ity farany fa dia tandindomin-doza ny fanabeazana izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Araka ny fanazavana ihany dia ireo izay miezaka mitsinjo ny hoavin’ny taranaka sy ny firenena ka vonona handray an-tanana ny hoaviny sy hamerina ny hasina maha mpampianatra mpanabe ary tsy manaiky ho vatolampy taingenam-borona dia hiharan’ny mafy tokoa toy ny famindran-toerana miendrika sazy, ny fampidirana ‘violon’, ny fanapahana ny ‘subvention’ sy fandroahana, ny tsy fanavaozana ny fifanekem-piaraha-miasa, ny fitazonana karama tsy ara-dalàna. Eo amin’ny 24 000 ireo mpanabe mivondrona ao amin’ity sendika ity, 168 tamin’izy ireo no tapaka karama ka ny 8 amin’ireo no tsy tafaverina hatramin’izao. Nanomboka tamin’ny oktobra 2012 moa dia niova endrika ny tolona natrehin’ireto mpanabe izay nantsoina hoe : «Grève générale de conscientisation nationale», nifototra kokoa tamin’ny fanazavana ny zava-misy amin’ireo mpianatra, ray aman-dreny fa tsy izy intsony ity rafi-panabeazana eto amintsika ity. Manoloana izany rehetra izany dia mampitandrina ny SEMPAMA fa dia hihamafy ny tolona, hikatso koa ny fampianarana satria tsy hanaiky ny famerenana ny fampidirana politika ao amin’ny fanabeazana izy ireo.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT