Actualités

SEMPAMA Herintaona nitolomana


  • Alakamisy 28 Febroary 2013

Feno herintaona katroka omaly 27 febroary ny hetsika nataon’ny mpampianatra notarihan’ny SEMPAMA izay mitaky ny fampiakarana ny tambinkarama sy fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra karamain’ny FRAM.

 Teto an-drenivohitra no nanomboka ny fitokonana izay nahery vaika tokoa ary vetivety izany dia nanerana ny Nosy. Navaivay ny fifandroritana ka nahatonga ny ministera hanao fandrahonana fanapahana karama izay notanterahany tokoa taty aoriana ka nisy 168 ireo mpampianatra mpitarika ny SEMPAMA tratran’izany. Nitaky ny fanesorana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena kosa ny SEMPAMA teo anatrehan’ny ramatahora isan-tsokajiny sady tsy nanaiky ny fanomezana tambinkarama 50.000 Ariary fanampiny. Saika tsy nisy mihitsy ny fanadinam-panjakana tamina faritra maro ary misy mpikambana SEMPAMA aza nogadraina noho ny fitokonana nandritra ny androm-panadinam-panjakana.

Herintaona aty aoriana dia vaky roa ny SEMPAMA satria teraka ny SEMPAMA Nosy izay ireo mpitarika mafana fo teny amin’ny kianjan’ny 90 Ariary ihany no nanangana azy. Nomena toerana DREN na Chef Cisco tambin’ny fivadihany ny sasany amin’izy ireo. Na dia mangatsiatsiaka aza ny SEMPAMA dia milaza ny filohany Raharovoatra Claude fa mbola manohana ny fitakiana ny ankamaroan’ny mpampianatra saingy tsy afa-manoatra noho ilay fanapahana karama. Mbola misy valo moa amin’izao ireo mpitarika tsy mandray karama manerana ny Nosy, araka ny nambarany. Ho an’ny SEMPAMA dia tsy azo ekena intsony ny fampiasana ny rafitra sy ny olona ho fitaovana politika izay atao ankehitriny.Takiany koa ny fanovana ny rafi-pampianarana.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT