Actualités

SEMPAMA Hanohy ny fitokonany na dia misy aza ny fandrahonana


  • Alatsinainy 14 Mey 2012

Mampiasa ny fomba rehetra handemena ny hetsiky ny SEMPAMA ny mpitondra isan’ambaratongany ary tsapa fa mahomby izany.

 Raha nilaza ireo mambra ny governemanta fa tsy mbola fotoana fanapahana karama izao dia ireo DREN sy Chef Cisco, ny Chef ZAP any amin’ny Faritra isanisany any indray no asaina mampiasa ny fahefam-panjakana hanery ireo mpampianatra hiverina hiasa. Miditra an-tsehatra mihitsy koa ireo mpitandro ny filaminana (EMMO-Sécurité) mitondra fiara tsy mataho-dalana mandrara ireo mpanabe te hanohy ny fitokonana. Iharan’izany, ohatra, ny SEMPAMA ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Manameloka izao fampihorohoroana sy teritery izao ny SEMPAMA nasionaly izay namoaka fanambarana ny sabotsy 12 mey teo. Nolazainy koa fa tsy mitana ny teniny ny mpitondra fanjakana amin’ity raharaha ity ka mitohy ny tolona nefa mbola misokatra amin’ny fifampidinihana izy ireo. Anio no hamantarana raha mbola hafana ny tolona na tsia.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT