Actualités

Sempama - Faradofay "O i ô, tsy mbola hampianatra izahay !”


  • Alarobia 23 Mey 2012

Mbola mikatso ny fampianarana any amin’iny Ciscon’i Faradofay iny. Mitohy ary mihamafy ny fitokaonaa ataon’ireo mpampianatra mpanabe eo anivon’ny Sempama.

 Hatramin’izao dia mbola ao an-drenivohitry Faradofay ireo mpampianatra avy any ambanivolo. Tsy mbola mety amin-dry zareo ny valintenin’ny tomponandraikitra. Tsy azo terena hampianatra izahay, hoy ireo mpanabe. «O i ô, tsy mbola hiverina hampianatra izahay», io no hira ventesin’ireo mpanabe ao an-tokontanin’ny lycée Pôle ao Faradofay isaky mihaona. Etsy ankilany anefa dia manohy ny fianarany ireo mpianatra amin’ireo sekoly tsy miankina any an-toerana. Eto an-drenivohitra dia mitohy ary vao mainka aza miha mafy ny fitokonan’ny Sempama etsy anoloan’ny trano boriborin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena Anosy. raha tsy mivoaka amin’ny sorabola ny fitakiana tsy misy fampianarana, hoy izy ireo.

Fa ho an’ireo Paramed kosa indray, dia namaly ny antson’ny birao foibe ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Paramed any Faradofay. Nanomboka ny alatsinainy teo dia tapaka fa hanatevin-daharana ny fitokonana fanairana ireto Paramed ireto, mitaky ny zo zay avilivilin’ny fitondrana FAT. Voafahan-dalitra izahay hatramin’izay. Fotoan’ny hetsika fanairana izao. Ireo dokotera kosa indray dia efa mikononkonona hamaly ny antson’ireo namany aty an-drenivohitra. Miandry ny vaovao avy amin’ny foibe dia raikitra ihany koa ny fitokonany.

Natiora OTH 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT