SEMPAMA

> Voaporofo ny fahamarinan’ny fitakiana nataony


  • Alarobia 02 Oktobra 2013


Niainga avy amin’ny filankevitra nasionalin’ny sendika Sempama sy ny fanamarihana ny andro eran-tanin’ny mpampianatra ny 5 oktobra 2011 no nanombohan-dry Raharivoatra Claude nidradradradra ny olana mianjady amin’ny mpampianatra Malagasy amin’ny ankapobeny ka nisian’ireny fitokonambe tamin’ny 8 oktobra 2011 ireny izay nitarika fahatapahan-karama ny maromaro tamin’izy ireo izay tsy mbola miverina mandraka ankehitriny. Voaporofo anefa amin’izao fotoana izao ny fahamarinan’ny fitakiana natao, hoy Raharivoatra Claude, satria samy mikaikaika daholo izao fa latsaka ambany dia ambany sy simba mihitsy ny fampianarana ny zaza Malagasy, na ny iraisam-pirenena na ireo kandidà ho filoham-pirenena 33 mikabary anatin’ny fampielezan-keviny koa aza. Tsapan’ny rehetra mantsy, hoy ry zareo, fa latsaka an-dalana tsy tafiditra an-tsekoly intsony ankehitriny ny zaza Malagasy. Ireo mpiasam-panjakana vaovao miisa 1600 noraisina teo alohaloha kely  sy ireo 1500 fanampiny nambara ofisialy tany amin’ny hetsika “sport scolaire” tany Antsirabe dia vitsy dia vitsy kely no mba mpampianatra FRAM araka ny fepetra napetraka fa dia saika olom-baovao avokoa. Efa nampahafantarina ny Bianco ny toe-draharaha, hoy Atoa Raharivoatra Claude.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT