Actualités

SEMPAMA Atsinanana Niantso azy ireo ny DREN sy ny Lehiben’ny Faritra


  • Alatsinainy 14 Mey 2012

Fikoropahana ny an’ireo lehiben’ny faritra sy ny lehiben’ny fampianarana isam-paritra (DREN), manoloana ny fitokonana tsy mety mivaha eo amin’ny SEMPAMA manerana ny Nosy.

 Midina ny baiko fa tsy maintsy manao antso avo ireo DREN sy ny lehiben’ny Faritra, ka dia nanao izany ny Atsinanana fa anio alatsinainy dia tokony hamonjy ny toeram-pampianarany avy ireo mpanabe mitokona. «Miangavy ny fitiavan-tanindrazana sy fitiavana ny taranaka malagasy ary ny maha mpanabe tompon’andraikitra ny mpampianatra rehetra izahay, efa akaiky ny fanadinam-panjakana, mitaintaina ny hoavin-janany ny ray aman-dreny, mananontanona ny korontana». Nohamafisin’izy ireo hatrany fa «efa nanao ezaka ny fanjakana nanome ny 50.000 Ar isan’olona ho an’ny mpanabe manerana ny Nosy, ka tokony hampiseho fahavononana sy fahendrena koa ny mpanabe manoloana izany».

Tsy izay indray ny ho an’ny SEMPAMA Atsinanana, satria tsy mbola nisy vokany ny fihaonana nifanaovan’izy ireo omaly alahady tolakandro amin’izay ho tapaka, na hampianatra ihany anio alatsinainy na tsia. Mbola hitohy anio amin’ny 11ora ny fihaonana ho azy ireo. Midika izany fa tsy mbola hisy fampianarana mandeha anio any Toamasina na teo aza io antso avo nataon’ny DREN Atsinanana sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana ny zoma hariva io. Mbola mihenjan-droa izany ny tady ao Toamasina mikasika raharaha SEMPAMA. Araka ny vaovao fantatra koa mantsy, dia tsy mbola hiditra an-tsekoly ny mpanabe rehetra ao Analanjirofo na teo koa aza ny naoty sy ny antso avo nataon’ny DREN Analanjirofo sy ny lehiben’ny Faritra Saina Michel any an-toerana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT