Tezitra mafy ireo mpampianatra ao Amoron’i Mania raha naheno ilay teny midina miendrika fandrahonana nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ny zoma 04 mey teo.
Tonga marobe nameno ny Kianjan’ny 90 Ariary tao amin’ny Epp Alakamisy ireo mpampianatra ireo omaly alatsinainy 07 mey fa tsy nisy namonjy fampianarana araka ny nangatahin’ny minisitra Manoro Régis. Lavin’izy ireo ny tenin’ny minisitr’izy ireo hanapaka karama tsy misy hatak’andro sy hanafoana “contrat” ho an’ny “Contranctuels”, hanafoana ny “subventions” ireo mpampianatra “subventionnés” ary hanolo vonjy maika ireo mpampianatra miziriziry tsy hampianatra nanomboka omaly. Nambaran’ireto mpampianatra mitaky ny zony ao Amoron’i Mania ireto fa mitory fihantsiana amin’ny mpampianatra hanao fitokonana an-dalam-be ireny tenin’ny minisitra ireny. Tsy ho voasarika amin’izany anefa ny mpampianatra ao Ambositra fa hijanona ao amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary ihany izy ireo hanohy ny fitakiana.
Hentitra ireto mpampianatra ireto nilaza fa mitady krizy vaovao eto amin’ny firenena ny minisitry ny fanabeazam-pirenena milaza ireny fanerena ireny. Tonga tao amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary Ambositra omaly ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ao Amoron’i Mania, Randrianasolo, nampita ny teny midina avy any amin’ny minisitra izay nanome fe-potoana 48 ora hidiran’ny mpampianatra rehetra hiasa fa hoavy ny mpitandro ny filaminana handrava ny hetsika.
Mikasika ny mpampianatra ENF dia nilaza ity Talem-paritra ity fa miandry ireo mpampianatra hatramin’ny zoma 11 mey ho avy izao hanaterana ny antontan-taratasy hidiran’izy ireo ho mpiasam-panjakana. Anio talata 08 mey 2012 dia hitety ireo sekoly mbola mikatona ny DREN sy ny Cisco ao Amoron’i Mania ka hanao tatitra any amin’ny foibe araka ny nambaran’ny Talem-paritra ihany. Mbola hanohy ny fitakiana ary tsy mbola hampianatra anefa ireo mpampianatra ao Amoron’i Mania anio talata 08 mey fa hanohy ny fitakiana mandram-piandry ny valitenin’ny Filohan’ny FAT sy ny Praiminisitra Omer Beriziky.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.