Actualités

SEMPAMA Amoron’i Mania Tsy andairan’ny fandrahonana sy ramatahora


  • Talata 22 Mey 2012

Manomboka miseho amin’izao fotoana izao ny fandrahonana sy fampihorohoroana mpampianatra ataon’ireo tompon’andraikitra sasany ao Amoron’i Mania.

 Manoloana izany dia nanao antso avo hampitsaharana izany ireo mpampianatra ao amin’ny SEMPAMA omaly alatsinainy 21 mey 2012 tao amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary Ambositra. Miendrika fanambarana ny hafatra nalefan’izy ireo izay milaza fa amin’ny alalan’ny tsy fanaovana sonia ny dôsien’ny mpampianatra FRAM sy «Suppléants» miharo fandrahonana fanapahana ny karaman’izy ireo ary fandrahonana fanesorana ireo talen-tsekoly mbola mitokona no endrik’ilay fampihorohoroana ao Amoron’i Mania. Hentitra ny SEMPAMA nilaza fa mbola mitohy ny fitakiana satria tsy mbola mamaly ny hetahetan’izy ireo ilay vola dimy alina Ariary isam-bolana nomen’ny Fanjakana. Tsy mbola misy resaka ihany koa mikasika ireo mpampianatra FRAM ka takian’izy ireo ny hanemorana ny datim-panadinana.

Marihina fa tsy mbola nandray ny vola fanampiana avy amin’ny fanjakana ny mpampianatra ao amin’ny CEG sy Lisea ao Amoron’i Mania miaraka amin’ny «vaccation» BEPC 2011, ankoatra ny tsy mbola nandraisan’ireo mpampianatra FRAM ny «subvention » volana aprily sy mey. Nambaran’ny SEMPAMA Amoron’i Mania ireo fa tsy marina ny filazana fa efa miverina mampianatra ny mpampianatra any an-toerana fa mbola mitokona avokoa ny 99%n’ireo mpampianatra.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT