Actualités

SEMPAMA Amoron’i Mania Mitaky ny fialan’ny minisitry ny fanabeazana sy ny ekipany


  • Alarobia 30 Mey 2012

Mihamafy ny fitakiana ataon’ireo mpampianatra ao amin’ny SEMPAMA Amoron’i Mania.

 Tsy mijanona amin’ny fitakiana ny zony intsony izy ireo fa mitaky ny fialan’ny minisitra mpiahy azy ireo. Fantatra izany hatramin’ny faran’ny herinandro teo ary mbola nohamafisina omaly talata 29 mey tao amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary Ambositra. Tena efa voahitsakitsaka ny zo aman-kasin’ny mpanabe sy ny sehatry ny fanabeazana araka ny fanambarana efa nataon’ny SEMPAMA Nasionaly, hoy ny SEMPAMA Amoron’i Mania ka ny fialan’ny minisitra sy ny mpiara-miasa aminy no vahaolana satria tsy mahavaha ny olan’ny mpampianatra. Ankoatra izay dia nohamafisin’izy ireo ny fanemorana ny datim-panadinana sy ny tsy maintsy handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM na ENF manerana ny Nosy. Nambara tao amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary Ambositra koa fa misy endrika fanambakana ilay tambin-karama nomena ny mpampianatra mpiasam-panjakana farany teo izay tsy mbola voaray satria mandritra ny fito volana monja. Nametra-panontaniana ireto SEMPAMA Amoron’i Mania ireto hoe : “fa maninona no tsy nomena tambin-karama koa farafaharatsiny ireo mpampianatra FRAM izay ny 80%-n’ny mpampianatra ?”. Mbola hitohy amin’ity herinandro ity ny fitokonan’ny mpampianatra ao Amoron’i Mania ity ary mbola mikatona ny ankamaroan’ny sekolim-panjakana rehetra any an-toerana.
Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT