Actualités

SEMPAMA Amoron’i Mania Manizingizina ny tokony hanemorana ny datim-panadinana


  • Alarobia 13 Jona 2012

Nitohy hatramin’ny alatsinainy 11 jona teo ary hitohy amin’ity herinandro ity ny hetsika fitakiana ataon’ireo mpampianatra mpiasam-panjakana sy mpampianatra FRAM mivondrona ao amin’ny SEMPAMA ao Amoron’i Mania.

 Mbola nameno ny Kianjan’ny 90 Ariary Ambositra izy ireo na omaly talata 12 jona aza satria tsy mbola mivaly ny fitakiana natao naomboka ny 14 martsa lasa teo. Nambaran’ireo nandaha-teny tao Ambositra fa tsy iny vola 50.000 Ariary iny no notakiana fa mbola ambonin’iny sy ny zo aman-kasin’ny mpanabe ary ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM rehetra. Mbola hamafisin’izy ireo ny fitakiana ireo tambinkarama samihafa ho an’ny mpampianatra nitsara fanadinana ara-panjakana taona 2011-2011 ankoatra ny tambinkaraman’ireo mpampianatra FRAM. Miandry ny fialan’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena izay tsy mety mahavaha ny olan’ny mpampianatra ny SEMPAMA ao Amoron’i Mania ka mbola mitohy hatrany ny tolona mandra-pisy ny toromarika vaovao avy any amin’ny SEMPAMA foibe. Marihana fa mbola marobe ireo sekolim-panjakana mikatona ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania amin’izao fotoana izao noho ity fitokonana ataon’ny mpampianatra ity.
Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT