Actualités

SEMPAMA Alaotra Nanamafy hatrany ny fitakiany


  • Talata 08 Mey 2012

Vao maraina dia efa nandeha ny fanentanana tao amin’ny kianjan’ny 180 Ariary any amin’ny lisea Antsahamarova Ambatondrazaka mampahery ireo mpanabe mba tsy hiroaroa saina manoloana ny fepetra miendrika fandrahonana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Manoro Régis, ny zoma 04 mey teo.

 Niverimberina ny hoe : “omeo ny zonay fa rehefa tontosa izany na dia anio ihany aza dia manohy ny fampianarana izahay”. Mahatra 1400 eo hatreto ireo mpanabe manohy ny fitokonany ka 900 dia avy ao Ambatondrazaka avokoa, ny ambiny dia avy any amin’ny Cisco Amparafaravola sy Andilamena. Omaly alatsinainy dia nisy ny fivoriana notanterahana ny avy ao amin’ny foiben’ny fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro mahakasika ny fampiharana ny baikon’ny minisitra. Hatreto, tsy mbola nahenoana akony izany. Loharanom-baovao hafa no nahafantarana fa mbola hifampidinika amin’ireo mpitandro ny filaminana ny DREN ny Cisco amin’ity herinandro ity fa amin’ny herinandro ambony vao tena hampiharina ilay baikon’ny minisitry ny fampianarana. Resaky ny moana sy ny marenina, araka izany, ity olana eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ity ka tsy mbola ho fantatra izay tena hiafarany. Ireo mpianatra mandranto fianarana ao Ambatondrazaka dia efa betsaka no nody namonjy tanàna.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT