Actualités

SEMPAMA – Alain Mahavimbina Nirava maina ny diniky ny roa tonta


  • Alarobia 23 Mey 2012

Nifampitaona tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana, ny biraon’ny Sempama vaovao sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain, notronin’ireo talen’ny sekolim-panjakana sy ny DREN, Lema Etienne, ary ny lehiben’ny Cisco I, Sambany Frédéric.

 Raha tamin’ny efatra ora sy sasany no tokony nanaovana ny fihaonana, dia nihemotra tamin’ny dimy ora izany. Tsy nanaiky lembenana amin’ny heviny sy ny fangatahana ary ny fitakiana ny zony ireo mpampianatra Sempama. Niezaka ny nandresy lahatra azy ireo ny lehiben’ny Faritra Mahavimbina Alain, izay nilazany fa “ny zanaky ny tsy manan-katao ihany no voa mafy amin’izao tsy fandehanan’ny fampianarana izao, ka tokony handinika kely amin’ny fitiavan-tanindrazana ianareo mpampianatra fa mijaly ny mpianatry ny sarambaben’ny Malagasy. Aza matahotra ianareo fa izaho mihintsy no hitondra ny fitarainanareo eo anivon’ny governemanta sy ny filohan’ny tetezamita, nefa mila ezaka avy aminareo ihany koa hamonjy ny sekoly misy anareo avy hampianatra ireo taranaka Malagasy ireo, fa efa akaiky ny fanadinam-panjakana”.

Tsy nanda izany kosa ny Sempama fa hentitra amin’ny fitakiana ka nilaza fa “miandry ny famalian’ny fanjakana tetezamita ny fangatahanay izahay vao hamonjy sekoly. Tsy tokony hitaky ny zonay izahay fa noho ny filazan’ny filohan’ny tetezamita fa manam-bola isika ny fiandohan’ny taona teo sy ny fahazoan’ireo mangataka ny zony hafa amin’ny mpiasam-panjakana, dia takianay koa ny anjaranay”. Nomarihan’ny biraon’ny Sempama vaovao anefa fa “tsy manakana ireo te-hampianatra mahatsapa fa be vola izahay fa safidy ny fitakiana sy ny fitokonana atao, hatreto aloha dia nisafidy ny tsy hampianatra avokoa ny mpampianatra rehetra ary izay no mbola mampikatona ny sekolim-panjakana rehetra ireo”. Hatramin’ny alatsinainy no mankaty dia mbola mikatona sy tsy mbola mandeha ny fampianarana amin’ireo sekolim-panjakana ao Toamasina. Nanao tatitra tamin’ny fihaonam-ben’ny mpampianatra ireo Sempama nihaona tamin’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana. Tapaka nandritra ny fihaonam-ben’izy ireo dia “mbola mikatona ny sekoly, mbola tsy hampianatra izy ireo raha tsy efa hita aloha izay efa navoakan’ny fanjakana”. Tsy nisy tapaka izany ny dinika adin’ny roa teo amin’ny Sempama sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, mbola tsy nanafoana ny fepetra fanakatonana ny sekolim-panjakana ihany koa ireo nandray ny fepetra hatreto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT