Actualités

Semban-drahona ny BEPC Mpampianatra iray maty nodonin’ny kamiao


  • Sabotsy 23 Jolay 2016

Semban-drahona ny fanadinana BEPC tao amin’ny toeram-piadinana ao Maroambihy-Sambava fa raha iny tamin’ny lalana hody iny i Ndrefana William dia nodomin’ny kamiao iray ka maty tsy tra-drano,

 

 ny alakamisy, andro farany tamin’ny fanadinana BEPC tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro. Mpampianatra sokajy ENF, tsy mbola mpiasam-panjakana, ao amin’ny EPP Maroambihy izy, ary mpikambana ao anatin’ny komity mpanaramaso ny fifidianana. Na izany aza dia nizotra tsara tamin’ny ankapobeny ny Bepc tao an-toerana fa indro kely, hoy ny lehiben’ny foibem-panadinana Beranto Eddy dia “nananosarotra ny tsy nahazoanay mpitsabo” nefa nisy ankizy roa tratry ny aretina tampoka mendrika tazo mahery ireny. Nisy mpiadina iray ihany koa poritra loatra nefa ny fitsipika mamepetra fa tsy mahazo mivoaka raha tsy efa afaka adiny iray aorian’ny fanombohan’ny laza adina, ka lasa nanelingelina ny hafa. Navoaka haingana ihany anefa izy rehefa hita fa efa tsy tana intsony. 280 ny kandida tao amin’io foibem-panadinana ao amin’ny EPP Maroambihy io ka 6 no tsy tonga. 13 taona ny zandriny indrindra tamin’ireo mpiadina ary 21 taona ny zokiny.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT