Actualités

Seky sandoka tao amin’ny Trésor Mpiasan’ny Banky Foibe iray any am-ponja


  • Alakamisy 25 Jolay 2013

Ramatoa iray mpiasan’ny Banky Foibe mitana ny andraikitry ny “agent de caisse” no any am-ponja miandry ny fitsarana azy noho ny raharaha fampiasana seky sandoka mitentina 1200 tapitrisa Ariary nitranga tamin’ny desambra 2011.

Nisy “agent de caisse” fito hafa ihany koa voarohirohy niaraka taminy saingy ity ramatoa ity ihany no midoboka nanomboka ny alarobia hariva teo. Raha tsiahivina fohy ny zava-nisy dia nisy olona nanome seky sandoka ny Tahirim-bolam-panjakana tamin’ny 2011. Samy tsy nisy nahalala ny maha hosoka io taratasim-bola io anefa ny Tahirimbolam-panjakana sy ny Banky Foibe tamin’ny fotoana nandraisana azy. Efa tamin’ny fotoana fanaovana famerenana ny fanamarinana vao fantatra ilay izy.

Tsy nanaiky ny Tahirimbolam-panjakana ka ny Banky Foibe no voatery nizaka ny fahavoazana, izany hoe matiantoka1.200 tapitrisa Ariary. Samy nitory olon-tsy fantatra “plainte contre X” amin’ity raharaha ity koa ny roa tonta. Raha tsy misy tohiny hatramin’izao ny fitorian’ny Tahirimbolam-panjakana dia ilay fitoriana napetraky ny Banky Foibe no misy fivoarany ka mitarika amin’ny fiahiahiana mpiasa 8 tao aminy izao.

Nampalahelo ny mpiasa sasany anefa ilay zava-misy manjo ny mpiara-miasa aminy izay toa atao solovaika ny akalana ka nahatonga ireo saika hanao hetsika firaisankina omaly. Vao 2 volana mahery mantsy izay dia nisy resaka mitovitovy amin’ity ka araka ny fanadihadiana nataon’ny polisy ekonomika dia olona iray ihany no mpaniraka tamin’ny raharaha 2. Raha izany tokoa no izy dia tokony ho nitory io olona io na ireo olona ireo amin’ny alalan’ny “plainte nominative” ny Banky Foibe fa tsy mitazona intsony ilay “plainte contre X” izay mahasaringotra ny mpiasa madinika araka ny nambaran’ny mpiasa iray.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT