Mihetsiketsika mafy mihitsy ny sekretera jeneralin'ny Vaomieran'ny Oseana Indiana Jean Claude de l'Estrac mba hahazoana namana maro manohana ny firotsahan'ny Nosy Maorisy amin'ny toeran'ny Sekretera jeneralin'ny OIF (Frankôfônia).
Tao anatin'ny roa volana teo izao dia mandray anjara amin'ny fivoriam-paritra isan-karazany ny tenany noho io antony io. Azo lazaina ho mahomby ny tetiny hatreto satria mihamaro ireo mpanohana. Nilaza i El-Anrif Said Hassane, minisitra Kaomaorianina misahana ny fiaraha-miasa amin'ny avy any ivelany fa manohana ny hahazoan'i Maorisy io toerana io i Kaomoro. Mirona amin'izay lalana izay koa isika Malagasy tamin'ny alalan'i Henry Rabary Njaka, talen'ny kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Seychellois tamin'ny lahateniny avy. Ity farany izay nilaza fa nitana anjara andraikitra lehibe tamin'ny fandaminana ny krizy politika teto Madagasikara ny Vaomieran'ny Oseana Indiana, indrindra fa i Jean Claude de l'Estrac.
Tsy resahana intsony ny fanohanan'i La Réunion tamin'ny alalan'ny filohan'ny Conseil général de La Réunion Nassimah Dindar. Azo ambara izany fa efa babon'i Maorisy avokoa ny fon'ireo nosy eto anivon'ny Oseana Indiana.Vondrom-paritra ekonomika manohana ny Nosy Maorisy koa ny COMESA izay misy firenena miteny frantsay 8 amin'ireo 19 mpikambana aminy. Nilaza ny Dr Kipyego Cheluget, sekretera jeneraly lefitra fa nanampy betsaka ireo vondrom-paritra isan-tsokajiny tamin'ny fanomanana ny dinika amin'ny Vondrona Eoropeanina hahazoana ny FED faha-11 i Jean Claude de l'Estrac. Ankoatra ny Vaomieran'ny Oseana Indiana dia tao koa ny Comesa, ny IGAD ary ny EAC.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.