Actualités

Sekoly tsy miankina amin’ny finoana Mitaky ny hampitoviana saranga ny sekoly rehetra


  • Talata 29 Novambra 2022

Nampahafantarina tetsy Andavamamba omaly ny fijoroan’ny sekoly tsy miankina amin’ny finoana eto Madagasikara. 41 000 eo no isanay erak’i Madagasikara, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Célin Rakotomalala.

Namerina ny sata ankapoben’ny hetra efa tamin’ny 10 taona lasa ny fitondram-panjakana, hoy izy. Ny andininy 010103 io ary io no natsofony tao amin’ilay lalana mifehy ny tetibola na LFI. Milaza io hoe ny sekolim-pinoana sy sekoly miankina amin’ny fanjakana dia tsy mandoa hetra. Ny dikan’izay dia mandoa hetra avokoa ny sekoly tsy miankina amin’ny finoana. Izay no mampitaraina anay rehetra hoe tsy mety ity fa misy zanak’ikalahafa. Ny andininy faha 24 ao amin’ny lalampanorenana anefa dia milaza fa ny fitondram-panjakana mahefa dia manaiky ny fisian’ny sekoly tsy miankina ary miantoka ny fampahombiazan’izany. Tsy misy sekoly ara-pinoana sy tsy ara-pinoana ao anaty lalampanorenana. Manohitra sahady ilay voateny anaty lalampanorenana izany ity avoakan-drizareo ity. Mitaky ny hampitoviana saranga ny sekoly rehetra izahay satria zaza malagasy daholo ny rehetra. Tsy hiresaka zavatra hafa aho fa ianareo rehetra angamba mahalala fa ny sekolim-pinoana aza no tsaratsara kokoa ny fidiram-bolany nefa ireny indray ve no tsy mandoa? Te hanaitra ny antenimierandoholona izahay hoe mivoana amin’ny lalampanorenana io kasaina atao io. Te hikitika ny HCC izahay hoe manao ahoana io? Fanitsiana no tadiavinay fa tsy ilay lalana manontolo. Tokony hitovy lenta daholo ny sekoly rehetra tsy miankina amin’ny fanjakana. Ny lalana tamin’ny taona 2019 dia misy ny hoe “impôt sur les revenus”. Tsy miresaka ny tombony azonao mihitsy io fa ilay vola mivezivezy ao. Io vola mivezivezy io hamaritan’ny sampan-draharahan’ny hetra hoe 10% no alohan’ny tsirairay. Ny lalana velona eto Madagasikara nefa milaza fa tsy azo akana hetra ny saram-pianarana. Inona moa izany no fidiram-bolan’ny sekoly hakana io “impôt sur les revenus” io? Raha hilaza ianao izany fa tsy akana hetra ny sara-pianarana nefa akanao 10% dia inona no dikany, hoy hatrany izy ireo ?
J. Mirija
Legende: Nampiaka-peo mihitsy I Célin Rakotomalala
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT