May kila forehitra ny efitrano miisa 5 ao amin'i sekoly Katolika Saint Pierre ao Vohilava , kaominin’i Mahabo.
Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny solombavambahoaka any an-toerana, Honoré Tsabotokay, dia sahabo ho ny alin’ny zoma teo tamin’ny 11 ora no nisian'izany . Biraon’ny delege Andemaka efa ho herinandro iray lasa izay moa izy ity, raha ny fanamarihana. Efa maimbo lasantsy ny rindrina ary nahitana taim- bakona ihany koa ka antony nanombanan’ity solombavambahoaka ity izao zava-misy izao ho niniana natao. Soa fa nisy amboa nivovoa teo akaiky teo nanaitra ny mpifanolo- bodirindrina, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.