Sekoly ambony ESSVA

> Namoaka manampahaizana160


  • Talata 13 Aogositra 2013

Namoaka manam-pahaizana niisa 160 ny sekoly ambony ESSVA na ny “Ecole Supérieure Spécialisée du Vakinankaratra” ny alatsinainy 12 aogositra. Andiany faha-12 navoakan’ny sekoly izy ity, nisalotra ny anarana: “Masoandro”.

Ny Evekan’Ambanja Mgr Rosario Vella no ray mpiahy ity andiany ity. Mitsinjara amina lala-piofanana miisa dimy ireto mpianatra ireto dia ny Fizahan-tany ara-toekarena,ny Elektromekanika, ny Serasera sy ny fanaovan-gazety, ny fitantanana ary ny Hotely ny fisakafoanana. Telo taona ny fotoana nianaran’ireto mpianatra ireto ka ny DTSS ny na ny “Diplome de Technicien Supérieur Spécialisé” no marim-pahaizana nomena azy ireo izay mitovy lenta amin’ny “Licence Professionnelle” raha ny fanazavana ihany. Raha ny nambaran’ny Rektoran’ny sekoly, Mopera Randrianaivozaka Jean Clément dia afaka miatrika asa avy hatrany ireto mpianatra ireto satria feno ny andran’asa nataon’izy ireo nialoha izao famoahana azy izao. Ity ihany koa moa no namarana ny fitantanan’ny Rektora ny sekoly ambony ka ny talen’ny Radio Haja amin’izao fotoana indray no hitantana izany amin’io taom-pianarana hiditra io. Marihina fa eo ambany fiahianan’ny fiangonana katolika ny ESSVA. Tonga niatrika ny famoahana ireto mpianatra ireto ny lehiben’ny faritra teo aloha Razanakolona Paul, nohon’ny mbola tsy fahavitan’ny famindram-pahefana teo aminy sy ny handimby azy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT