Actualités

Seho « Zaza Rap Taiza » Nanjavona ny Macbook Pro an’ilay DJ


  • Alatsinainy 12 Desambra 2022

Samy taitra ny rehetra indrindra fa ireo mpanaraka sy mpankafy ny gadona Rap na HH taranja omaly alahady rehefa

 nahita tamin’ny pejy facebook n’i Melo J, nanambara fa very teo ambony sehatra tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny solosaina Macbook Pro 16 pouces, anisan’ireo hiaka farany satria vao nivoaka ny taona 2021.Antso no nataon’ity DJ ity ho an’izay manam-baovao na mety nahita azy io mba hampilaza , tsy misy ny arakaraka hoy izy.Ny tena raharaha dia voarakitra ao anatin’io solosaina io avokoa ny asa fitadiavana, hoy i Melo J na Jao ho an’ireo mahalala azy akaiky. Ny tena mahagaga dia fitaovana nampiasaina teo ambony sehatra ity nisy nitsaika ka nanjavona ity, ary mazava ho azy fa olona mahay tsara ny hasarobidiny sy ny zavatra maro mety ho vita aminy no naka azy. Mpiangaly Rap Malagasy maro no niaka-tsehatra ny sabotsy hariva teo nandritra ity hetsika Zaza Rap Taiza ity , fa teo ihany koa ny mpanakanto nafarana manokana avy any France dia i Nuttea sy Chilla. Misy ihany angamba ny fanamafisana ny fanarahamaso amina hetsiika goavana tahaka itony fa manjary tranga iray na roa no mety hanaratsy endrika ny ezaka nataon’ny mpikarakara efa ho herintaona mba hanaovana hetsika iraisam-pirenena goavana tahaka izao.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT