Miditra amin’ny andro faha-6 anio talata 03 septambra 2013 ilay fampirantiana karakarain’ny Antenimieran’ny Harena ankibon’ny tany eto Madagasikara eny amin’ny Cite Ambatonakanga. Amin’ny maha fampisehoana mivelatra azy dia hita eny an-toerana tokoa ny tontolo rehetra manodidina ny fitrandrahana ity sehatra iray lehibe anisan’ny mampidi-bola ho an’ny firenena Malagasy ity.
Voazava ao, ohatra, ny andraikitra sahanin’ity vondrom-pikambanana ahitana orinasa miisa 18 ity manerana ny Nosy. Voalaza ao ihany koa ny mikasika tsirairay ireo fikambanana mpitrandraka ireo harena ankibon’ny tany eto amin’ny firenentsika toy ny renivola ampiasainy sy ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny asa fitrandrahana ary ny toerana nahazoan’izy ireo alalana hitrandraka. Tsy adino fa voaresaka eny an-toerana torak’izany ny mikasika ny vola nampidirin’ity tontolo voalaza fa fanoitra iray goavana ho amin’ny fampandrosoana ho an’ny firenena Malagasy ity amin’ny alalan’ny mpitondra mahefa. Nisongadina amin’izany ny mari-bola niditra tamin’ny taona 2010 izay nahatratra 318.272.162.291 Ariary. Raha ny manodidina indray ity seho ho an’ny besinimaro ity no resahina dia fantatra fa 50 isan’andro eo no mpitsidika tonga ka maro an’isa amin’izany ireo mpianatra mpandalina sy manampahaizana mpikaroka.
Anisan’ny fanontaniana miverimberina hatrany avy amin’ireo olona tonga nitsidika ny fampisehoana moa, araka ny fanadihadiana natao, ny hoe : “misy akony tokoa eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ve ity asa fitrandrahana harena ankibon’ny tany eto amintsika ity ? Ny antony dia tsy voaresaka mandritra ity hetsika ity ireo karazana tombontsoa mivantana miantraika amin’ny isam-batan’olona sy ny firenena manontolo ateraky ny tetikasa izay efa natomboka 3 na 4 taona lasa izay. Tsy hita taratra eny an-toerana ihany koa ny mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-misy iainan’ireo mponina manodidina ireny toerana fitrandrahana ireny. Asa na tsy misy lanjany loatra ve na fahafantarana izany sa tsy ampy ny fotoana nanomanana ny fampisehoana izay amin’ny fiteny vahiny rahateo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.