Tsy mahavita manohy ny fianarany hatramin’ny farany avokoa ny ankamaroan’ny zaza Malagasy. Ny 1/3-n’ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra ihany no fantatra fa tonga eny anivon’ny sekoly ambaratonga hafaroa
. Mitohy hatrany ny fihenan’io salan’isa io ka 3 hetsy amin’ireo ankizy 4 tapitrisa ihany sisa no tonga manohy ny fianarany hatreny amin’ny lycée. Noho ny halaviran’ny toeram-pampianarana no mahatonga izany, raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary izay handehanan’ny ankizy dia an-tongotra 5 km miala ny tokantranony raha kely indrindra isan’andro. Mba ho fanampiana ireny mpianatra ireny ary dia hisy ny fananganana sekoly any amin’ireo toerana mitoka-monina sy faritra saro-dalana eto amintsika. Any amin’ny Fokontany Ambozony, kaominina ambanivohitra Belobaka, distrikan’i Mahajanga II no hisantarana izany arahin’ny fametrahana sekoly fanofanana arak’asa. Ny tanjona dia ny mba hahafahan’ny mpianatra manohy ny fianarany hatramin’ny farany ho fitsinjovana ny ho aviny na koa hivadihany amina fiofanana arak’asa avy hatrany hahafahany mitrandraka ireo karazana akora misy ao amin’ny faritra misy azy. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny Sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fikambanana tsy miankina handray an-tanana izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.