Sehatry ny fampianarana

> Mitana ny laharana fahadimy hanjakan'ny kolikoly


  • Alarobia 02 Oktobra 2013

Manjaka sy miha mahazo vahana hatrany ny kolikoly eto Madagasikara.

Ankoatra ny eny anivon'ny biraom-panjakana sy ireo sehatra mampidi-bola be indrindra dia fantatra ihany koa fa ny sehatry ny fampianarana no mitana ny laharana fahadimy amin'izany ankehitriny, araka ny tarehimarika nampahalalain’ny Transparency International Initiative Madagascar omaly. Vokatry ny fitarainan’ny mpiara-belona voarain'izy ireo teo anivon’ny CAJAC no nahafantarana izany. Miseho amin'ny endrika maromaro io kolikoly hita eo amin'ny sehatry ny fampianarana io raha araka ny fanazavan'Andriamamiarivonjy Florent, tompon'andraikitra ao amin'ny Transparency International Initiative Madagascar. Lohalaharana amin'izany ny momba ireo mpampianatra FRAM toy ny fandoavana ny karaman'izy ireny izay marihina fa latsakemboka avy amin'ny ray aman-drenin'ny mpianatra, ny fandraisana azy ireny no mpiasam-panjakana raikitra, ny famindran-toerana azy... Tsy ampy intsony ny sehatra hisehoan'ny fahamarinana, hoy ihany ity tompon'andraikitra raha eo anivon'ny sekoly no tokony hanjakan'izany, indrindra hahafahana mamolavola olom-banona, hoavin'ny firenena rahatrizay.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT