Actualités

Sehatra tsy miankina Hihatra amin’izay ilay fisondrotan-karama 10,83%


  • Talata 03 Aprily 2012

Mihatra amin’ny fandraisan-karama volana martsa ity ilay fisondrotan-karama 10,83% farafahakeliny ho an’ireo mpiasa eny anivon’ny orinasa tsy miankina tafiditra ao anatin’ny sehatra ara-dalŕna.

 Ny didy hitsivolana laharana 2012-390 navoakan’ny ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy no nahafantarana izany. Na izany aza anefa, araka ny nambaran-dRamanitriniony Samuelson, tale jeneralin’ny asa eo anivon’ity ministera ity, dia tsy voatery hanatanteraka izany ireo mpampiasa eny anivon’ny orinasa tsy miankina rehetra. Miankina amin’ny sokajy misy ny mpiasa sy ny fahelan’ny fotoana niasany tao amin’ilay orinasa ary ny fahaiza-manaony mantsy, hoy ihany ity tale jeneraly ity no hahafahan’ny mpiasa iray mahazo izany na tsia. Amin’ity fandraisan-karama volana martsa ity vao hampidirina daholo ny fisondrotana tokony ho azon’ny mpiasa nanomboka tamin’ny volana janoary taona 2012 no ho mankaty, araka ny fanazavana azo ihany. Hiakatra koa, araka izany, ny vola fisotroan-drononon’ireo zokiolona izay iandraiketan’ny Cnaps. Tsara ny mampahatsiahy fa 10.000 Ar ankehitriny no marikarama farany ambany indrindra ho an’ireo orinasa tsy miankina. 90.000 Ar kosa izany tamin’ny taona 2011 izay nahitana ny fisondrotan-karama tamim-pomba ofisialy tahaka izao.
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT