Actualités

Sehatra tsy miankina Entanina hamokatra izay angovo ilainy


  • Zoma 25 Novambra 2022

Notanterahina tetsy amin’ny Carlton omaly ny andiany faha-6 amin’ny Fiaraha-midiniky ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina, nokarakarain’ny EDBM.

Nandritra izany no nanaovan'ny Minisitry ny indostria Edgard Razafindravahy antso ny Sehatra tsy miankina handray an-tanana ny famokarana angovo ho ampiasainy. Atao mazava tsara ny fifanarahana dia apetraka ny tetiandro hanatanterahana azy. Isaky ny telo volana dia atao ny tomban’ezaka ahitana ny asa vita sy ny fifanarahana voahaja. Nanaitra ny mpandray anjara tamin’ity Fiaraha-midiniky ity Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina ny Minisitra mba tsy hisalasala lava. Nohamafisina tao fa mila fahavononana ny fampandrosoana ara-toekarena an'iMadagasikara. “Mba ny Sehatra tsy miankina mihitsy no mandray an-tànana ny hoaviny amin'ny famokarany ny angovo ampiasainy mba tsy ho tratry ny tsy fahatomombanana amin’ny tsy fananana na tsy fahampian’ny angovo”, hoy ny Minisitra. Anisan’ny fifanarahana tamin’ny 28 Marsa 2022 ka anaovana jery todika amin’izao fiaraha-midinika etsy Anosy izao izany. Maro ny hevitra nivoaka nandritra ireo fiaraha-midinika rehetra teo aloha hirosoana amin’ny fanatsarana ny tontolo ara-toekarena sy fampiasam-bola eto Madagasikara. Ohatra amin’izany ny fanalefahana ny hetra sy ny fanatsarana ny rafitra aman-dalàna ary ny fanohanana ny sehatra tsy miankina eo amin’ny fahaleovan-tenany amin’ny angovo. Naneho ny fahavononany ny fanjakana amin’ny fandraisana sy fanatanterahana ny anjara andraikiny manoloana ireo fehin-kevitra tapaka nandritra izany dinika izany. Manamarika izany indrindra ny asa rehetra efa miroso eo amin’ny famolavolana ny fanatsarana ny rijantenin-dalàna mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara sy ny mifehy ny tontolo indostrialy.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT