Sehatra Paositaly Lany ho “CA-CEP

UPU” I Madagasikara


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Vokatra tsara dia tsara no azon'i Madagasikara amin'ny alalan'ny Paositra Malagasy ao Abidjan -Cote d'Ivoire mandritra ny « UPUCongress2021 »


 amin'izao fotoana izao, araka ny tatitry ny Paositra Malagasy omaly 26 aogositra. Ny UPU moa dia ratsan'ny Firenena Mikambana (ONU) miandraikitra ny sehatra postaly. Nisy ny fifidianana ka, isam-bato 109 no azon'i Madagasikara hoan'ny vondrona faha-5 (Afrique) , ary mandrafitra ny CEP (Conseil d'exploitation Postale) miaraka amin'ny firenena 49. Hoan'ny CA (Conseil d'administration) kosa indray, dia lany « par acclamation » i Madagasikara, ho ao anatin'ireo firenena 11 isan'ny filankevim-pitantanan'ny UPU. 11 no nirotsaka hoan'ny toerana 11 ka izay no nahatafiditra antsika mazava ho azy. Araka izany dia mandrafitra ny sehatra lehibe indrindra ao amin'ny UPU ny Firenena Malagasy amin'ny alalan'ny Paositra Malagasy mandritra ny 4 taona (2021-2024). Voninahim-pirenena no nentina nandritra ny andiany faha-27 amin’ny Kongresin’ny UPU na « UPUCongress 2021 » tao Côte d'Ivoire ary nitondra vokatra tsara ny Paositra Malagasy, hoy hatrany ny tatitra.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT