Nakarina ho 40.000Ariary isam-bolana moa izany ny tambin-karama ho an’ny sefo fokontany, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.
Tsy niova kosa ny ho an'ireo lefitra. 20.000Ariary no an'ny sokajy voalohany. 15.000Ariary no an’ny sokajy faharoa. Adihevitra efa ela ary fiheverana ho fanaovana tsinontsinona ny eny ifotony hatramin’izay ny karama raisin’ireo sefo fokontany ary na dia nisy izao fiakarana izao aza dia iarahan’ny maro manaiky fa mbola marika na “symbolique” fotsiny ihany. Hahagaga ve raha hanjaka mandrakariva ny kolikoly eny ifotony eny? Hiasa mafy indray, mba tsy hilazana hoe ho ampiasaina mafy, izao ireo sefo fokontany, indrindra, mandritr’io taom-pifidianana hoavy io. Fanontaniana mipetraka ihany ny hoe isan’ny fitsinjovana izany ve izao lazaina fa fampiakaran-karama izao? Maninona tokoa moa no mbola tsy olom-boafidy no mitantana ireo fokontany? Azo antoka tokoa ve ny fahadiovan’ny fifidianana hoavy ao anatin’izao rafitra tsy mety miova nefa efa nahabe adihevitra izao? Toy izany koa ny resaka fampandrosoam-pirenena tena izy. Hisy azo antenaina intsony ve raha toa ka ny fomba fitantanana tamin’ny tetezamita 2009 ihany no mbola hita ho miseho lany aty amin’ny taona 2022 aty? Niara-nahatsiaro tamin’izany ny hopitaly manara-penitra izay baraingo nandritry ny taona maro ny mpitsabo sy fitaovana tao anatiny? Ny sasany moa nirodana fotsiny tam-pitoerana teo. Ny toeram-pampisehoana midadasika kanefa savolaina ireo artista nameno azy. Ankehitriny dia hoe manodidina ny 150 isa indray ireo EPP manara-penitra saingy ireo mpampianatra malaza ho mikarama varimasaka sady tara karama hatrany ihany koa ve no hampianatra azy ireny? Ireo mpianatra manao ahoana koa no hianatra ao? Ireo mpianatra manana ray aman-dreny tsy mahefa intsony na dia ny fisoratan’anaran’ireo zanany aza ve? Miandry ny mpitondra hamaly azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.