Mihenjan-droa ny tady eo amin’ireo mpampianatra manao fitakiana ao amin’ny SEMPAMA sy ireo tompon’andraikitry ny fanabeazam-pirenena ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania.
Taorian’ny fiangavian’ny Lehiben’ny Cisco ao Fandriana, Atoa Andriamifalisoa Réné, mba hiverenan’ireo mpampianatra nanao fitokonana hampianatra dia nanatitra ny taratasy fametraham-pialany tao amin’ny DREN Amoron’i Mania ny alarobia 11 jolay 2012 lasa teo ny tenany. Vokatry ny tsy firaharahain’ireo mpampianatra SEMPAMA Fandriana ny toromarika nomeny ary fiarovany ny mpianatra tokony hianatra nefa nosakanana no anton’ny fametraham-pialana, araka ny voarakitra ao amin’ilay taratasy fialana. Tsy mbola nandray fanapahan-kevitra mikasika ity fametraham-pialana ity ny DREN sy ny Ministera ka mbola manohy ny asany aloha hatramin’izao io Lehiben’ny Cisco ao Fandriana io. Marihana fa nogiazan’ireto mpampianatra SEMPAMA ao Fandriana tsy nisokatra ny Lycée tao Bepombo.
Araka ny nambaran’ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ao Amoron’i Mania, Atoa Randrianasolo, dia misy tafiditra ao anatin’ireo mpampianatra 265 eran’ny Nosy handraisan’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena fepetra ny mpampianatra vitsivitsy ao Amoron’i Mania.
Etsy andanin’izay dia mbola manohy ny fitokonany ny ankamaroan’ireo mpampianatra any an-toerana na dia efa fantatr’izy ireo aza ilay fampitandremana nambaran’ny Ministera mba hiverenan’izy ireo any an-dakilasy ao anatin’ny 24 ora. Ho an’ireo SEMPAMA tao Ambositra manokana dia efa niverina nampianatra ny ankamaroan’ireo mpitarika ny tolona saingy efa niforona indray ny birao vaovao mitantana izany izay nilaza fa tsy mbola mahavaly ny fitakiana natao ny fepetra noraisin’ny Ministera hatramin’izay. Hisy ny hetsika fidinan’ireto SEMPAMA ireto eny anivon’ny fari-panentanana pedagôjika na ZAP tsirairay hanazavan’izy ireo amin’ireo mpampianatra namany ireo zo tokony hotakiana manomboka amin’ity herinandro ity.
Manomboka ho hentitra, araka izany, ireo tompon’andraikitry ny fanabeazam-pirenena ao Amoron’i Mania izay mpanatanteraka ny baikon’ny Ministera ka handray fepetra ho an’ireo mpampianatra mbola mitokona. Nilaza Atoa DREN fa tsy hetsika fitakiana sendikaly intsony no misy ao Amoron’i Mania ankehitriny fa efa misy resaka ambadika politika satria misy sokajin’olona ivelan’ny sehatry ny fanabeazana miditra an-tsehatra manohana ireto SEMPAMA ireto. Tantara mitohy ity resaka ity fa ny tsikaritra dia efa maro ireo sekolim-panjakana nisokatra nanomboka tamin’iny herinandro iny tao Amoron’i Mania satria efa misy ireo mpampianatra niverina nampianatra.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.