Actualités

SECES Mivaha ny olana ara-bola vao miditra ny mpianatra


  • Alarobia 13 Aprily 2011

Tsy hisy taom-pianarana misokatra eny amin’ny Oniversite 6 eto amin’ny Nosy raha tsy voavaha ny fitakiana nataonay, hoy ry zareo ao amin’ny SECES na ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny sampam-pampianarana ambony omaly nandritra ny famaranana ny Filankevi-pirenena nataon-dry zareo nandritra ny roa andro teny Ankatso.

«Tsy mbola voavaha ny fitakianay matoa izahay nanatanteraka ity «Conseil National» ity», hoy Rasoamiaramanana Armand, filohan’ny SECES. Nambarany anefa fa misy tsirim-panantenana ihany ny fahitam-bahaolana raha ny fihaonana nataon-dry zareo niaraka tamin’ny minisitra vaovao sady filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, Rabesa Zafera Antoine. «Miankina amin’ny fanatanterahan’ny fanjakana amin’ny fomba haingana ny anjara andraikiny ny daty fidiran’ny Oniversitem-panjakana manerana ny Nosy taom-pianarana 2010-2011», hoy ny SECES. Mikasika ny raharaham-pirenena dia nanambara ny SECES fa « tsy misy zavatra miova ny amin’ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena ankehitriny, mihitsoka tanteraka isika ary mbola miha mitombo aza ny fahantrana, ny fandriampahalemana tsy ahitam-bahaolana.

Hita fa mihavery ny fiandrianam-pirenena fa miditra manelanelana daholo izao fikambanana samihafa izao. Endrika vaovao hamerenana ny fanagiazana ara-politika sy ara-toekarena ny Malagasy mitovy amin’ny any amin’ireo tany Afrikanina hafa ny zava-misy, tena fiverenan’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao. Variana amin’ny krizy misy ny Malagasy fa ao ambadika ry zareo vahiny mitrandraka ny harem-pirenena. Mitaky ny handraisan’ny fitondram-panjakana andraikitra ny amin’izany ny SECES, mitaky ihany koa ny hampitsaharana ny fanosihosena ny zon’ny Malagasy fa «izahay dia handray ny andraikitra tandrify anay».

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT