Actualités

SECES « Mandrora mitsilany ny fitondram-panjakana”


  • Sabotsy 09 Jolay 2016

Namoaka fanambarana ihany koa omaly hariva ny sendikan’ny Mpampianatra-mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra na SECES momba ilay fandaniana ny lalŕna mifehy ny serasera ka nitaky

 

hamerenana ny fandinihana ny « Code de la communication» mba hifanarahan’ny rehetra, voadinika amin’ny saina tony sy milamina ka tsy hiteraka intsony fifampihantsiana, fifandranitana, famoahana vaovao tsy mitombina eto amin’ny tany sy ny firenena.Miverin-dàlana ny demokrasia eto Madagasikara, tandindomin-doza ny firaisam-pirenena satria mandrora mitsilany ny fitondram-panjakana, nanao amboletra ny fandaniana ny lalàna mifehy ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety hoy ny SECES. Tsapa ankehitriny, hoy ny fanambarana  fa tsy voahaja ny fahalalahana haneho hevitra, ny zo isam-batan’olona hahalala vaovao, ary hiverina ny sivana sy ny teritery eo amin’ny fampitam-baovao sy ny asa fanaovan-gazety. Milaza ho vonona hitondra ny anjara birikiny, raha ilaina, ho fanatsarana araka izay azo hatao ny lalàna toy itony mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena moa ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra eny amin’ny oniversite.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT