Actualités

SECES Antananarivo Manainga ny fitsarana hamoaka didy farany henjana


  • Alatsinainy 26 Jolay 2021

Nanao fanambarana ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, sampana Antananarivo,

 fa manameloka ny fihetsika feno habibiana manosihosy ny fiandrianam-pirenena sy ny sata repoblikanina ao anatin’ny fandalana ny demokrasia eo anatrehan’ny fiparitahan’ny vaovao momba ny fikasan’ireo fahavalom-pirenena tsy mataho-tody saika hamono aina Malagasy. Miantso ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny SECES mba tsy hiraviravy tanana fa hamotopototra lalina kosa hanatrarana ireo mpandray anjara rehetra ary indrindra fa ny atidoha nikotrika ireny famadihana tanindrazana ireny. Manainga ny fitsarana mba hamoaka didy faran’izay henjana ho an’ny voaheloka. Manao antso avo ny vahoaka Malagasy tsy vakivolo, hoy hatrany izy ireo, mba samy ho tony sy hampanaja ny soatoavina Malagasy ary ny mitabe tsy lanin’ny mamba.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT