Actualités

Scandale » vaovao indray Loholona nikasi-tanana mpamily taxibe…


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Niparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera ny faran’ny herinandro teo ny sarin’ny loholona IRD Atoa Rasolondratsimba Raymond fantatry ny maro amin’ny hoe: Raymond-Nala,

izay nanao fihetsika tsy dia mendrika loatra. Nisy naka sary teo am-pikasihan-tànana mpamily fiara fitateram-bahoaka mantsy ity loholona ity. Na inona na inona antony, tsy dia mendrika loatra ny fanaovana herisetra. Na ireo mpomba ny fitondrana aza vaky vava, hoe: “Zoky Raiamandren’ny firenena! Ohatran’ny tsy dia mety ny mikasi-tànana, fa tsy misy ambony lalàna raha eto Madagasikara. Anjaran'tsika no manome ohatra ho an'ny vahoaka fa tsy entina hanaparan- pahefana akory izany. Aoka isika no modely voalohany amin'ny fitondrana”, hoy ny fanehoan-kevitra. Tena hafahafa, ary mampanongo tena satria tsy olon-tsotra fa manam-pahefana “Loholon’I Madagasikara”. Asa izay mety ho fanazavana na fandisoana hataony, fa ny fitsaran’ny maro azy aloha dia nanao fihetsika tsy mendrika ity “Loholona” ity. Tsy vao sambany anefa no nahitana manampahefana manao fihetsika mamohehitra sy mitondra tena ho ambonin’ny lalàna: misy ny tsy menatra miteny ratsy sy manopa olona, ao ny voasaringotra mivantana na ankolaka amin’ny fandripahana ala saingy tsy mamaly tsotr’izao ny fampanantsoan’ny Bianco, ao ny toa fampanantenana poakaty ny 80% amin’ny zavatra ambarany,… Ampahany ireny fa tsy vaovao intsony ny fisiana manam-pahefana sy mpitondra ambony manaonao foana, saingy toa efa noboriboriana amin’ny hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitoraka-bato azy. Tsy finiavana hanakiana na tsy fitiavana ilay olona sanatrian’ny vava, fa tena be loatra ny fitondran-tena sy fihetsika mamohehitra, toa ifaninanana ao anaty Fitondrana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT