Actualités

Sazy mahazo ny Air Madagascar Noho ny tsy fahaiza-miasa sa efa mifono tetika hafa ?


  • Zoma 22 Aprily 2011

Na dia nanao izay tetika rehetra tsy hifampiresahana tamin’ny mpanao gazety aza ny tompon’andraikitry ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar dia fantatry ny rehetra ihany fa ny tandrevaka no nahatonga ny sazy nilatsaka avy any amin’ny vondrona eoropeanina ka tsy hahafahan’ireo Boeing 667 roa misidina ny lanitr’i Eoropa.

 

Ny tsy mazava dia ny nahatonga ilay izy : tsy fahaiza-miasa ve sa fanahy niniana natao mihitsy ? Ny ao amin’ny ministeran’ny fitaterana no niezaka nanazava sy nampahafantatra ny vahaolana efa hita, ny amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Alitalia, kaompaniam-pitaterana ana habakabaka goavana, indrindra any Italia, amin’ny fitondrana ny olona avy eto Madagasikara ho any Eoropa, eo ihany koa ny mety ho fanofana fiaramanidina hafa. Voalaza fa efa vonona amin’izany fiaraha-miasa vaovao izany ny Air Turkish avy any Torkia sy ny Airbus. Mazava ny resaka fa izay no nahamaika an’i Torkia handefa masoivoho teto Madagasikara sy manaiky ny hiara-miasa avy hatrany amin’ny FAT. Ny Airbus moa ny Frantsay no tena mahazo tombontsoa aminy, ary isaky ny manao fitsidihana any amina firenen-kafa, tahaka an’i Sina sy Brezila ary Inde ny mpitondra Frantsay dia mandresy lahatra ny mpitondra any an-toerana mba hividy fiaramanidina Airbus. Airbus A 330 no mety hofain’i Madagasikara atsy ho atsy. Tsy kisendrasendra izany rehetra izany fa efa voalamina hatry ny ela, ary midika zavatra maro ny fahatongavan’ny tale jeneralin’ny Airbus teto tamin’ny herintaona sy ny nanatrehany ilay «fampisehoana» hafa kely ireo tetikasa goavana hotanterahan’ny fitondrana tetezamita tahaka ny trano mora tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina teo ambany fitarihan’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina.

Ny fanilihana tsimoramora ny Boeing no tena tanjona ao anatin’izao rehetra izao. Henjana ny fifaninanana eo amin’ny Boeing sy ny Airbus eo amin’ity tsenan’ny fivarotana sy fampanofana fiaramanidina ity maneran-tany, ary misy hatrany ny raharaham-pitsarana mampifanolana ny roa tonta isan-taona, dia mifandimby voasazy eo moa ry zareo. Tsara ho fantatra koa anefa fa efa zokin’ny Airbus lavitra ny Boeing ary tena manana traikefa, raha ny salanisa tsotsotra ihany koa dia maro ny olana mitranga tamin’ny Airbus ary tsy mbola afaka an-tsain’ny maro ilay lozam-piaramanidina naharendrika ilay Airbus A 340 an’ny Air France tany amin’ny fari-dranomasin’i Brezila, herintaona mahery laza izay. Izay ny any ivelany fa raha ny eto amintsika indray dia ny fiaramanidina Boeing no fantatra fa voafehin’ny mpanamory sy ny teknisianina kokoa aloha hatreto, satria tsy mbola nampiasa Airbus mihitsy i Madagasikara ary fanofanana momba ny Boeing tamin’ny ankapobeny no voarain’ireo teknisianina Malagasy. Midika izany fa tsy ho mora ny mety ho fitsimbadihan’ny Air Mad hampiasa Airbus ary tena mbola mila fiofanana sy fampianarana maro be, no sady mila vola ihany koa.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT