Nitrangana hetsika tsy fahita tao amin'ny fonjan' i Vangaindrano ny alatsinainy
MANDRAHONA HANDORO NY TRIBONALY SY NY DISTRIKA
Tany tan-dalàna, ka tsy misy hafa-tsy ny fanarahan-dalàna ihany no vahaolana satria efa fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana ny famonjana vonjimaika dia ny Fitsarana ihany no afaka mamoaka didy na manafoana izany, hoy ny tapak’ireo manam-pahefana. Ireo andian'olona tao ivelany Fonja kosa dia mbola niverina nanoloana ny Fonja niaraka tamin'ny fitaovana maranitra omaly maraina tamin'ny 5 maraina, na dia teo aza ny fahampafantarana azy ireo fa faritra mena « zone rouge », tsy azo aleha ny manodidina ny fonja. Rehefa izany dia niala teo ireto andian'olona ireto ka namonjy ny Tribonaly sy ny distrika ary nilaza fa handoro trano rehefa tsy mahazo valiny mahafa-po. Efa tafapetraka eny amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Vangaindrano ny fangatahana fahafahana vonjimaika ka dia miandry izay fanapahan-kevitry ny Fitsarana ny rehetra. Efa tonga ao an-toerana ihany koa ny “renfort” na ny ekipan'ny mpiandry fonja avy any Farafangana. Hafahafa ny toe-draharaha, ary efa zava-doza izany fitakiana famoahana olona hivoaka ny fonja sy fandrahonana handoro biraom-panjankana izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.