Actualités

Savorovoro tany Amboangibe Sambava Olona 2 maty voatifitry ny zandary


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Nisehoana korontana namoizana ain’olona tao Sambava ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

 Fahafatesana dokotera iray tao Amboangibe no nitarika izany. Voatery nitifitra mantsy ny zandary niarovana ny fitsaram-bahoaka saika niseho. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny talata 21 aprily lasa teo no nisy dokotera mpitsabo iray maty nisy namono tany an-toerana. Olona roa no voasambotra taorian’izany rehefa nanao fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana. Ny sabotsy teo kosa dia niroso tamin’ny fisamborana olona iray fanintelony, izay ahiana ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay dokotera ny zandary ary nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’izy ireo ilay lehilahy. Fantatr’ireo mponina tany an-toerana anefa izany ka nangatahin’izy ireo ny hamoahana ireo nahavanon-doza mba hatao fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky izany ny mpitandro ny filaminana ka nitora-bato ny mponina. Voatery niroso tamin’ny fitifirana iretsy voalohany araka izany. Vokany, olona roa no namoy ny ainy iay voalaza fa niboraka tsinay mihitsy. Zandary iray kosa no naratra mafy noho ny tora-bato nahazo azy. Voatery nafindra toerana moa ireo olona 3 voasambotra hisorohana ny korontana mety hitranga.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT