Actualités

Satrokala - Ihosy Navotsotra ilay voatondro ho nanao kolikoly


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Lehiben’ny boriboritany iray ao amin’ny kaominina ambanivohitr’I Satrokala, distrikan’Ihosy no tratra ambodiomby nanao kolikoly saingy navotsotry ny fampanoavana rehefa niakatra fitsarana,

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly, avy eo anivon’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na BIANCO. Lasa maha velona ahiahy tanteraka, hoy ity rafitra ity, manoloana ny tranga toy izao ny mety ho tohin’ny raharahana kolikoly avo lenta eto amin’ny firenena. Andro vitsivitsy taorian’ny nisamborana azy, nandalo tamin’ny fampanoavana tao Fianarantsoa, nandalo tao Ihosy dia nahazo fahafahana vonjimaika noho ny antony voalaza fa tsy ampy ireo porofo teo am-pelatanana. Maro koa ireo tranga nialoha izao izay naha tafala hatrany lehibena boriboritany tsy ho any am-ponja. Nitovitovy tamin’io koa ny tranga mahakasika ny lehiben’ny boriboritany iray mitantana an’i Befotaka ao Analalava, hoy hatrany ny BIANCO. Na ity rafitra ity aza moa dia nametra-panontaniana toy ny olom-pirenena maro ihany koa hoe mbola azo itokisana ve ny fitsarana malagasy
? J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT