Actualités

Sarona « dalle » eto an-dRenivohitra Misy maka ny ankamaroany, atahorana hamono olona


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Misy manongotra ny ankamaroan’ireo sarona dalle eto an-drenivohitra. Ankoatra ireo eny Analakely dia nahitana izany maromaro indray teny Anosy izay marihina fa lavakabe tokoa ny ao ambaniny.

Atahorana hamono olona izy ireny araka izany indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina mora mahamaizina ny andro izao. Mahalany olona iray mihitsy mantsy ny halalin’ilay lavaka, hita akaikin’ny tobim-piantsonana taxibe miazo an’Ampitatafika. Antso avo araka izany no hatao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra mba hijery akaiky ireny dalle tsy misy sarony ireny. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra eny an-toerana moa dia amin’ny andro alina no tena hanaovan’ireo mpanao ratsy ity operation –na sarona dalle ity. Ahiana ho mitondra fiara mihitsy izy ireny hoy hatrany ireo mpivarotra noho ny havesatr’ilay sarona dalle iray vita amin’ny vy mifono simenitra iray manontolo. Ny tena atahorana dia mety hamoizana ain’olona tsy fidiny ny fanaovan’ireo mpanao ratsy izany. Olona tsy an’asa sy sahirana moa no tombanan’ireo mpivarotra eny Anosy ho nahavita izao fihetsika mampalahelo izao, izay marihina fa teren’ny tsy fananana ihany koa ka lasa manaotao foana.
Pati
Legende : Andraikitry ny kaominina ny manarona itony dalle tsy misy sarony itony !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT