Sarodrano Toliara II

> Tototry ny fasika ny tanŕna


  • Sabotsy 17 Aogositra 2013

Misedra olana efa an-taonany maro ny ao Sarodrano, Distrikan'i Toliara II. Na dia vita aza ny tobim-pitsaboana dia tsy misy mpitsabo ny CSB 2. Na ilay mpitsabo mpanampy iray voatendry any an-toerana aza dia tsy tamana ao.

''Tsy fantatray mazava ny antony, fa dia miaina ao anaty fahasahiranana tanteraka izahay. Rehefa misy marary mila fitsaboana haingana dia tsy maintsy entina any Toliara amin'ny lakana satria ratsy be ny làlana aty aminay '', hoy ny sefo Fokontany. Olana torak'izany ihany koa hoy ity solontenam-pokonolona ity ny tsy faharatsian'ireo fotodrafitrasam-panjakana hafa. Mampiteny ny moana ny haratsin-dàlana. Hadino tanteraka i Sarodrano ary dia tena tany lavitra andriana tokoa, nefa tsy dia lavitra loatra ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana sady toerana mamokatra drakaka, tsitsika, trondro, lomotra mena, janga, sns, ary mahasarika mpizahatany. Ambonin'izany rakotra fasika ny tànana, ka mampikolay ny mponina ary anaovany antso avo amin'ny tompon'andraiki-panjakana, sao dia mba misy mpihaino ihany, hoy ingahy Ben'ny tanàna, amin'izao ankatoky ny fifidianana izao.

E.R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT