Actualités

Sarimihetsika Malagasy Nisintaka ny OMDA ireo mpamokatra sy mpilalao


  • Alatsinainy 07 Martsa 2011

Hisintaka tsy ho mpikambana ao amin’ny OMDA na ny Ofisy Malgasy momba ny zon’ny mpamorona intsony ireo mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika Malagasy.

Mahatsiaro tena ho tsy misy mpiahy sy tangosan’ity rafitra ity fotsiny izy ireo raha ny fanazavan-kevitra narosony tetsy Andrefanambohijanahary ny sabotsy maraina lasa teo. Noraisina ohatra ny vokatry ny orinasa Mevaprod farany mitondra ny lohateny “Rafozantsarotiny 6”. Kapila 5.000 isa no natonta izay misy ny “hologramme” avokoa ary efa nandoavana ny sarany 10% amin’ny OMDA mialoha ny nanapariahana azy eny an-tsena.

Andro vitsy monja anefa dia efa feno vokatra hosoka an’ity horonantsary ity any Fianarantsoa sy Manakara kanefa tsy misy ny fandraisana andraikitra ataon’ny OMDA fa ny fanenjehana ireo kapila ara-dalàna tsy misy “hologramme” no imasoany. “Aleo ajanona ilay fifanenjehana fa samy manao ny azy amin’izay. Manomboka izao dia tsy hampiasa ny hologramme izahay” hoy i Tsarafara, mpilalao sarimihetsika diso fantatry ny maro amin’ny hoe “Rajao”. Nanamafy koa i Gégé Rasamoely fa hanana ny fahaleovantenany amin’izay ny mpilalao sy mpamokatra sarimihetsika Malagasy izay hanangana ny rafitra mpiahy azy manokana dia ny “Office Malgache du 7ème Art”. Marihina fa saika tazana teny Andrefanambohijanahary avokoa ireo mpamokatra horonantsary vaventy sy mpilalao sarimihetsika malaza.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT