Actualités

Saran-dŕlana : hiakatra 500 ariary amin’ny 26 jolay


  • Zoma 08 Jolay 2016

Hiakatra 500 ariary ny saran-dŕlan’ny fiara mpitatitra olona manomboka ny talata 26 jolay 2016, araka ny tapaka taorian’ny fivorian’ny «Union des Coopératives des Transporteurs Urbains» omaly.


 Nohon’ny fangatahan’ny mpanjifa io fitomboana 100 ariary io fa tokony ho 750 ariary ny tena tarehi-marika mifanaraka amin’ny vidin’ny gazoala 1 litatra 3.010 ariary ankehitriny. Saram-pitaterana izay mety mbola hisondrotra nohon’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, hoy ny filohan’ny Uctu Andriambinintsolomora Bernardin. Mangataka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, indrindra ny «Office Malgache des Hydrocarbures» mba ampahafantarana 15 andro mialoha ny fampisondrotana ny UCTU. Tena manimba ny fandraharahan’ny sehatry ny fitaterana mantsy ny fampiakarana tampoka ny vidin-tsolika, araka ny fanamarihan’ity vondron’ny kaoperativa mpitatitra andrenivohitra ity. Lasan’ny vidin-tsolika avokoa moa ny 65%n’ny vola miditra hoan’ny mpitatitra raha 33% ny salan’isa ahafahana mampisitraka fitaovana mendrika ny mpanjifa. Foana nanomboka tamin’ity taona 2016 ity rahateo ny tohana na fanampiana ara-bola amin’ny endriny samihafa hoan’ny mpitatitra, araka ny toromariky ny Banky iraisampirenena.

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT