Actualités

Saran-dalan’ny taksibe 500 Ariary manomboka ny 26 jolay


  • Zoma 08 Jolay 2016

Nanetsika ny tambavin’ny mpitatitra eto an-drenivohitra ny fiakaram-bidin’ny solika in’efatra miantoana hatramin’ny fiandohan’ity taona ity.

 

 Taorian’ny fiakarana farany ny fiandohan’ity volana ity dia lasa 3010 Ariary izao ny litatry ny gazoala, izay solika tena ampiasain’ny mpitatitra. Nivory omaly alakamisy 7 jolay, ireo mpitatitra mivondrona ao amin’ny UCTU (Union des Coopératives de Transport Urbain), ary nanapahan’izy ireo hevitra fa hiakatra ho 500 Ariary ny saran-dalana amin’ny taksibe eto Antananarivo. Hihatra manomboka amin’ny talata 26 jolay 2016 izy io. “Tokony ho 750 Ariary aza” raha ny filazan’ny filohan’ny UCTU Andriambinintsoamora Bernardin, saingy noho ny fijerena ny marimaritra iraisana no namerana azy ho 500 Ariary io.

Nialoha ity fandraisana fapahan-kevitra omaly ity dia efa nanambara ny UCTU fa raha miakatra 3 000 Ariary ny litatry ny solika dia hiakatra ny saran-dalana. Niakatra tokoa, saingy mbola latsaky ny vidin-tsolika tamin’ny volana janoary 2016, izay 3090 Ariary ny litatra raha ny gazoala, ary tamin’izay dia tsy nihetsika fa notazomin’ny mpitatitra ho 400 Ariary, izy ireo rahateo nahazo fanonerana elanelam-bidy avy amin’ny fanjakana.

Efatra izao ireo kaompania mpaninjara solika eto Madagasikara taorian’ny nampiharana ny fanalalahana eo amin’io sehatra io, ka nahafaty ny SOLIMA an’ny Fanjakana. Orinasa vahiny avokoa ireo, ary mitovy hatrany ny vidin-tsolika ampiharin’izy ireo, tsy ahatafarana fifaninanana. Voasokajy ho manankarena indrindra aty Afrika ny roa amin’ireo mpitantana ireny orinasa ireny eto Madagasikara. Ireo orinasa mpaninjara solika ireo hatrany no mitavana ny tombontsoa tao anatin’izay fiakaram-bidy in’efatra hatramin’ny fiandohan’ny taona izay. Izao ampian’ny fiarakan’ny saran-dalana, dia ny vahoaka no mifafa ny kihony, ary ireo mpiadina hiatrika fanadinana bakalorea 2016 no hiharan’izany voaloany, ho an’ny mpianatra. Hanaraka io fampakarana saran-dalana io ve ny kalitaon’ny asa sy ny fanajana bokinandraikitra ataon’ny taksibe ?


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT